Tsy re tsaika, mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Mitotaly 250 km ity lalana ity, ary efa miroso amin’ny ampahany voalohany, mirefy 80 km, ny asa.
Miainga eny Talata Volonondry ny arabe migodana hatrany Toamasina. Manatanteraka ny asa ny orinasa egyptianina Samcrete. Orinasa iray amin’ireo telo mahay indrindra any Egypta amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa goavana toy ny lalana, tetezana, sns. Maro ny asa efa niasan’ny Samcrete, anisan’izany ny tany Congo, Ouganda, firenena any Golf.
Napetraky ny filoha Rajoelina Andry, ny desambra 2022, ny vato fototra voalohany hanatanterahana ny asa teny Talata Volonondry. Mizara telo ny fanatanterahana ny 250 km, ka dingana voalohany mirefy 80 km, ary samy 85 km ny faharoa sy fahatelo.
Avo lenta ny fitaovana ampiasan’ity orinasa egyptiana ity. Mampiasa milina vaventy izy ireo, antsoina hoe « FDR », izay mitentina 1 tapitrisa dolara, mahavita asan’ny milina madinika 10 fahita aty amintsika. Tanjon’ny Samcrete ny hanorina lalana mafy sy mateza. Hahazo tombontsoa amin’ny fahavitan’ny lalana migodana ny rehetra, toy ny mpandraharaha ara-toekarena sy ny olon-tsotra, satria atao anatin’ny adiny telo monja ny lalana Antananarivo-Toamasina.
Hampitomboina avo roa heny ny mpiasa
An-jatony ny Malagasy miasa ao amin’ny Samcrete, raha 34 ihany ny teratany egyptiana. Vinan’ny mpitantana ny hampiakatra avo roa heny izany isa izany. Manao asa sosialy amin’ny maha orinasa tomponandraikitra (RSE) azy koa ity orinasa ity. Voakasik’izany ny fanabeazana, namatsiana fitaovam-pianarana sy ny fanampiana ara-pahasalamana.
Nilaza Razafindrakoto, mpandraharaha, fa tsy andriny izay ahavitan’ity « autoroute » ity, satria manampy azy amin’ny fihariana ataony. Hihena ny vola hividianany kojakoja amin’ny fiara, ary afaka mandroso miverina ao anatin’ny iray andro.
Njaka Andriantefiarinesy