Coca-cola-PFL: fantatra avokoa ireo manao ny manasa-dalana

Ny klioban’ny Elgeco Plus Analamanga, ny Disciples Vakinankaratra sy ny Zana­kala FC Fianarantsoa ary ny 3 FB Toliara no tafita amin’ny manasa-dalan’ny « Playoff » “Coca-cola PFL”, taranja baolina kitra. Tsiahivina, notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fihaonana, ampahefa-dalana miverin’ity fifanintsanana ity.
Tsy tafavoaka tamin’ny Elgeco Plus Analamanga ny ekipan’ny Fosa Junior, omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elge­co Plus, By – Pass. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny roa tonta.
Ny mpilalaon’ Analamanga no tafita amin’ny dingana manaraka, efa resin’izy ireo 2 no ho 0, tany Mahajanga ny Fosa, nandritra ny lalao mandroso.
Tsara marihina fa tahaka ny famaranana na “Super Coupe” ity fihaoanana ity, satria ny Fosa Junior no tompondaka farany, fifaninanana «Coca-cola PFL» ary ny Elgeco Plus, tompon’ny am­boara «Telma Coupe 2023 ». Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina ny 8 sy ny 9 ny manasa-dalan’ity fifanintsanana ity.

Fitia Randria

Partager sur: