« Dago Madness Beatz »: tsy namaly ireo heverina ho mpankafy mozika

Somary efa nampoizina ihany… Tsara dia tsara ny to­lotra saingy tsy namaly ny mpankafy mozika. Na tsy tena mpankafy mozika ihany koa aza, satria tsy araka izay nandrasana ireo tonga nanatrika ny hetsika “Festival Dago Madness Beatz”, izay notontosaina tao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny sabotsy sy alahady, faran’ny herinandro, teo.
Sabotsy mitataovovonana. Efa teny an-tsehatra ny tarika hisantatra ny hetsika, fa tsy nisy mpijery teo anoloana… Adiny roa taorian’izay, mbola teny an-jorony ihany ireo ankavitsiana tonga nanotrona, kanefa efa niditra an-tsehatra ny ta­rika fahefatra nalahatra. Tsapa nanomboka teo, fa tsy namaly ny fanasana ireo mpankafy mozika. Na ireo mankafy ny mozika izay tsy dia faheno sy fahita an-tsehatra matetika aza, satria izy ireo no nezahin’ny mpikarakara avy ao amin’ny OZ Rekordz nomena sehatra nandritra ny “Festival Dago Madness Beatz”.
Nifangaroharo ny gadona nentin’ireo tarika teny an-tsehatra ny sabotsy. Niainga tany amin’ny HiP–Hop, izay nahitana indray an-dry Degam-Tse, MBL, sns. Nandalo ny funk sy ny mozika mifangaron-dry Rolf sy ry Mafonja ka hatrany amin’ny jazz nozarain-dry Zara Rajaona. Samy te hanome ny kanto indrindra avokoa ireo tarika nalahatra, hany ka nihoatra ny fotoana napetraka ny ankamaroany. Tsy nampisy olana loatra anefa satria samy tena mpankafy mozika, na ny teny an-tsehatra, na ireo ankavitsiana nanotrona.
Fotoana iray nifanomezan’ireo mpankafy ny mozika mavesatra ihany koa ny alahady 26 mey. Tsy marobe, saingy tena miaina sy be tao anatin’ny kolontsaina metal ireo nanatrika ny seho faharoa. Samy amin’ny gadona nampiavaka azy avy ry Spirity, Naday, Erica, The Hornstone, sns.
Ny hitovian’ireo tarika re­hetra nandray anjara nandritra ny roa andro? Samy mpanakanto tsy miankina amina trano mpamokatra avokoa, ary miara-miasa amin’ny OZ Rekordz. Raha tsy jerena ny isan’ny mpijery nanatrika, toraka voninkazo no homena ny mpikarakara noho ny finiavana sy ny fahasahiana na­maky lay toa ireny. Mipetraka foana anefa ny fanontaniana: Inona izany ny tena karazana mozika sy hetsika ara-kolontsaina mety amin’ny mpankafy eto Madagasikara?

Zo ny Aina

Partager sur: