Toy ny sahobakaka anaty kamory ity ny baolina kitra malagasy. Hitoetra toa ho faty, hifindra toerana toa tsy ho velona. Samy mametra-panontaniana avokoa ny rehetra ny amin’ny zava-misy ankehitriny. Tsy hita ho antenaina, nefa tsy hita ho afoy izy ity. Raha milofo mafy ny mpifanandrina, ny mifanohitra amin’izany ny an’ny Malagasy.
Tsy misy tomponandraikitra mihitsy afaka manazava ny amin’ny olana anaty, izay hita fa misy saingy ezahina hafenina. Misy ady manara, ka manaraka ady ny mpitazana. Variana any amin’ny mahavariana azy avokoa ny mpitantana. Heverina fa liana any amin’ny fitadiavana izay mety hampandrosoana ity taranja mankararirary ny Malagasy ity. Tsy mbola hita taratra eo amin’ilay tontolo anefa izany. Mety misy ady manara any ho any ka manaraka ady sisa ny ny ambiny.
Hanainga tsy ho ela ny Barea de Madagascar. Hiatrika lalao ambara fa kihon-dalana ka ilana fahavononana. Vonona ve moa tsy ho vonona fa hatraiza ilay fanomanana raha mitaha amin’ny mpifanandrina. Mbola miatrika ady manara ny Malagasy ka manaraka ady sisa atao.
Mitomany anaty ny mpankafy, tsy afaka hanohana akory ny ekipany, tokony hilalao eo an-jaridainany. Akory atao fa mbola misy ady manara ka ny manaraka ady no anjaran’ny tena. Toa arosy tapak’elatra, hitoetra manina an’Itasy, hanidina tsy manana elatra. Mivindavinda endrika ny rehetra. Tsy hita izay omena tsiny fa samy tompon’antoka amin’ny zava-misy avokoa ny tsirairay. Izany ny vokatry ny ady manara ka manaraka ady no ady eo.
Aleo handeha, hizahana azy ê! Samy miandry izay ho vokany ny daholobe. Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy fa ady manara io ka manaraka ady ny anjaranao.
Tompondaka