Fahasalamana : niampy 20 ireo farmasianina mpanara-maso

Notolorana fanamarinam-piofanana tetsy amin’ny INSPC Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo farmasianina mpanara-maso ny fanafody miisa 20 mianadahy.
Mandalina misimisy kokoa ny fomba fampiharana ny lalàna eo amin’ny sehatry ny fikirakirana fanafody izy ireo. Hanara-maso ny fampiharana ny didy aman-dàlana, ny fanarahana ireo fenitra amin’ny famokarana fanafody eto Madagasikara ihany koa. Hitsirika ny mahakasika ny fanafarana sy ny fitsinjarana ireo fanafody ary ny kalitao omena ireo mpanjifa no tena iandraiketan’izy ireo.
Hipari­taka amin’ny faritra maro ma­nerana ny Nosy ary ho hentitra amin’ny fanatanterahana ny asany, ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka, ireo farmasianina mpanara-maso.
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 2000 no nivoaka ny andiany farany tamin’ny farmasianina mpanara-maso. 11 monja izy ireo no miasa manerana ny Nosy ka tsy maharaka ny fanarahana ny toerana mikirakira fanafody. Izao hiampy 20 izao indray, hanatevin-daharana azy 11 mianadahy ireo.
Amin’ny volana jolay ho avy izao vao hivoaka amin’ny fomba ofisialy ireto farmasianina inspekitera ireto.

Tatiana A

Partager sur: