Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny fandraisan’ny AFT andraikitra manoloana ny sehatra maitso sy fiarovana ny tontolo iainana. Hanohizana ny ezaka rehetra vita ny antony hanaovana ny “festival des initiatives vertes”, hoy ny tomponandraikitry ny sampana kolontsaina eo anivon’ny AFT, Andriamihanta Andriantsoa. Ahitana hetsika maro eny an-toerana mandritra ny roa andro. Anisan’izany ny valandresaka sy atrikasa mahakasika ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra eny ifotony. Mizara ny fahalalana momba izany ny Climates Madagascar, CEDAR, Miarakap. Ho hita eny ihany koa ny fivarotana voninkazo sy ny vokatra natoraly. Hanampy izany ny tolotra M’Balik avy amin’ny Telma. Maimaimpoana avokoa ny fitsidihana rehetra.
Mino