Seho miavaka no nentin’i Njakatiana sy i Lola ary i Mathieu, nanamarihana ny fetin’ny reny, omaly, tao anatin’ny fampisehoana « Fitiavan’i Neny ».
Tontosa omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Fitiavan’i Neny ». Seho nafanain’i Lola sy i Njakatiana ary i Mathieu (La voix d’or). Fampisehoana nentina nanamarihina ny fetin’ny reny, izay nankalazaina omaly. Ankoatra ny fankafizana ny feo mangan’i Njakatiana sy i Lola, anisan’ny nahatalanjona ny mpijery ny fampisehoana ny niangalian’i Mathieu ny hiran’ireo mpanakanto kalaza nifampizara sehatra taminy ireto. Samy afapo ny rehetra ary ny tena nalai-nisaraka tokoa teny ampiafaran’ny sehoa.
Fampisehoana anisan’ny nanamarika ny fankalazana ny fetin’ny reny, ity tontosa omaly ity. Nanakoako teny Antsahamanitra ny feo mangan’i Lola sy i Njakatiana, niaraka tamin’ny Mathieu. Anisan’ny tena nampiavaka ny seho ny fandraisan’anjaran’i Mathieu. Nankafizin’ny maro ny fahaizany mihira sy ny fahafehezany ny sehatra ka ahafahany mampifaly sy mampiditra ireo olona manatrika ao anaty ambiansy. Izy izay nihira ny hiran’i Njakatiana sy i Lola, nandritra ny fampisehoana. Mpanakanto anisan’ny zandriny, manampy isa ireo taniketsan’ny kanto malagasy, indrindra ny mozika raha i Mathieu.
Ankoatra izay anefa, tsy niova fa mbola ny seho nahafantarana an’i Njakatiana sy i Lola hatramin’izay ihany no nentin’izy ireo nanomezana fahafaham-po ny mpankafy tonga nijery azy ireo. Ny taona no niova fa ny laza sy ny maha izy ireto mpanakanto ireto mitoetra hatrany. Hira maro karazana no nentin’izy ireo nanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy ireo tamin’iny fampisehoana iny. Nisy ireo hira nilamindamina ary nisy ireo nihetsiketsika. Nisy ihany koa ny fampiaraham-peo teo amin’ireto andrarezin’ny hira malagasy ireto. Anisan’ny hira niarahan’ny maro nankafy ny “Tiako loatra”, “Hiangavy farany” ary ny “Tsy misy ohatran’i Neny”.
Lin