Miara-miombon’antoka ny trano fiantranoana, Hotel Radisson Blu, sy ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Antananarivo sy Nosy Be. Manohana azy ireo ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Misy ny hetsika “Influencers trip” amin’ny tambajotra sosialy, hampahafantarana maneran-tany an’ireo toeram-pizahan-tany voalaza ireo. Ireo olo-malaza amin’ny internet na ana habaka, ilay antsoina hoe « influenceurs », no manao izany, ny 25-31 mey.
Am-polony ireo « influenceurs » manao azy, avy ao Frantsa, Afrika Atsimo, Pologne, sns. Anisan’izany ilay kalaza amin’ny fanatanjahantena an-dranomasina, Adrien Raza, manana olona mpanaraka 1,9 tapitrisa anaty tambajotra.
Mpizahatany 1 tapitrisa
Tanjona ny hampiakatra ny isan’ny olona mahafantatra an’i Nosy Be sy Antananarivo. Eo koa ny fikarohana mpizahatany amin’ny vanim-potoana mahavitsy azy ireny. Manampy ireo ny fampitomboana ny vokatra ara-pizahantany eto Madagasikara, indrindra ny any Nosy Be sy eto an-drenivohitra. Anisan’ny hita anatin’ny fampahafantarana ataon’izy ireo, ny fizahantany amorontsiraka, ny asa tanana ary koa ireo kolontsaina samihafa. Tanjona lavitr’ezaka ny hanatrarana mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny taona 2028.
Njaka A.