Handball « IHF Trophy Zone 7 »: tompondaka teo amin’ny cadet ny Akio de Madagascar

Norombahin’ny Akio de Madagascar, ny amboaran’ny faritra fahafito, « IHF Trophy », eo amin’ny taranja handball, sokajy cadet. Fandresena roa no azon’ny Malagasy tamin’ireo lalao roa natrehiny ka nibatany ny amboara.

Nifarana ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy cadet sy junior, lehilahy. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny cadet ny Akio de Madagascar. Fandresena indroa misesy no azon’izy ireo ka nametraka azy teo amin’ny laharana voalohany. Tsy nisy afa-tsy firenena telo ihany moa no nandray anjara tamin’ity sokajy ity, i Comores sy i Seychelles ary i Madagascar, mpampiantrano.
Raha tsiahivina, resin’ny Akio tamin’ny isa 33 no ho 26 i Seychelles, teo amin’ny andro voalohany ary nandavo an’i Comores indray, teo amin’ny lalao faharoa. Hisolo tena ny faritra fahafito amin’ny “IHF Trophy continentale”, hatao any Cameroun, araka izany, ny Akio de Madagascar. Mendrika ny zava-bitan’ny Akio tamin’ity satria voafidy ho mpilalao mendrika sy mpampidi-baolina be indrindra nandritra ny fifaninanana i Nasolondraina Ziggy. Lasan’i Sabotsy Jean kosa ny mpiandry tsatoby mendrika.

Tsy afa-bela tamin’i La Réunion ny Akio Junior
Teo amin’ny sokajy junior, niatrika ny famaranana ny Akio de Madagascar sy i La Réunion. Tsy mbola afa-bela indray ny ekipantsika tamin’ity. Mbola resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 24. Raha tsiahivina efa lavon-dry zareo tamin’ny isa 31 no ho 29, isika nandritra ny lalao fifanintsanana.
Niady ny lalao saingy be loatra ny fanafihana verivery sy ny baolina tsy maty nandritra ny fizaram-potoana faharoa ka nanome vahana ny mpifanandrina. «Mahay ny Malagasy ary haingam-pilalao saingy tombony ho anay fotsiny ny famonoam-baolina», hoy i Hoareau Sebastien, mpanazatra ny ekipa Réunionais. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Nice Serveaux Killyan, avy amin’ny ekipa Réunionais. Mpiandry tsatoby nahay kosa i Ferlando ary namono baolina be indrindra i Aina avy amin’ny Akio. Mbola andrasana kosa ny fanapahan-kevitry ny IHF amin’izay hiatrika ny “IHF Continental” satria i La Réunion, tsy ao anatin’ny faritra fahafito.

Tompondaka

Partager sur: