Karate – Fifaninanana Afrika Atsinanana 2024: «Tsy misy miala eto Madagasikara ny medaly volamena», hoy R. Emile

Hampiantrano ny lalao lehibe aty amin’ny faritra misy antsika i Madagasikara, eo amin’ny taranja Karate, ny volana jona ho avy izao. Hatao eto ihany koa ny fivoriambe faritra Afrika Atsinanana. Efa vonona tanteraka ny Federasiona malagasin’ny Karate-Do.

Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja Karate. “Hiezaka ny hanome ny tsara avy aminy avokoa ny Malagasy atleta rehetra. Tsy misy miala eto Madagasikara ny medaly volamena”, hoy Ratefinanahary Emile, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Karate-Do (FKM), ny sabotsy lasa teo, tetsy An­taninarenina.
Raha ny nambarany, miisa 11 ireo firenena handray anjara amin’ity fifaninanana ity. Ho avy eto Madagasikara, ny 4 jona ho avy izao, i Djibouti, sy ireo nosy rahavavy, Maurice sy i Comores. Tsara ny mampahafantatra fa natokana ho an’ireo mpikatroka sokajy cadet sy junior ary senior ity fifanintsanana ity.
Zava-dehibe ity lalao Afrikanina iray ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny FKM, satria misy ny isa azon’ny karateka, izay hametraka ny filaharan’izy ireo aty Afrika. Tsiahivina fa miisa 52 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena amin’io ka ny 12 manao ny Kata, ary Kumité ny 40 ambiny.

Fitia Randria

Hatao eto ny AG faritra Afrika Atsinanana

Hotontosaina eto an-drenivohitr’i Madagasikara, ny 7 jona ho avy izao, amin’ny dimy ora hariva ny fivoriambe ara-potoana (AG), Faritra Afrika Atsinanana. Ankoatra izay, maro ny vahiny hanatrika mandritra io hetsika ara-panatanjahantena goavana io. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena, Bechir Cherif, sy ny lehiben’ny UFAK, Souleymane Gaye, ary ireo manam-pahaizana maro, izay hampiofana ny mpitsara sy ireo mpanazatra.

Partager sur: