Efa-dahy naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Lazaina, kaominina Anosy Avaratra, ny zoma 25 mey teo tamin’ny 03 maraina. Nisavorovoro, niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny disadisa nisy teo amin’ireo tovolahy miisa efatra. Nahita ny zava-nisy, nanasaraka ireo efa-dahy niady ilay raim-pianakaviana. Rain’ny iray tamin’ireo nifampikasin-tanana izy. Voan’ny totohondry tampoka nataon’ny tovolahy iray izy ka nikarapoka tamin’ny tany ny lohany. Tsy nahatsiaro tena teo noho eo io raim-pianakaviana io. Nifamonjen’ny manodidina nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana izy. Voa mafy tao amin’ny lohany vokatry ny dona mafy nahazo azy anefa ity farany ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Tetsy ankilany, niroso tamin’ny famotorana ireo efa-dahy ny zandrimariam-pirenena ao Sabotsy Namehana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.