Nanatona ny Rotary Antananarivo Vovonana (RCA) ny fikambanana Malagasy Brand Communication (MBC), hanampiana ny mpianatra ao amin’ny kolejy Md François de Sales Imerintsiadino Masindray. Nilaza i Nisa Rambel, mpandrindra ny MBC, fa voakasik’izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ary ny fanabeazana ny ankizy. Natolotra ny sabotsy 25 mey teo ny tranoheva roa fisakafoan’ny mpianatra, masomboly legioma (karaoty, kaokombra,…), hanaovana fambolena an-tsekoly (permaculture) ary ny kojakoja fisakafoana.
Mampianatra baolina kitra ho an’ny ankizy (6-16 taona) ao anatin’ny tetikasa EcoFoot ny MBC. Miisa 40 ny ankizy beazina ka tena nokendrena ny ankizivavy izay mahatratra 70%. Tanjona ny hisakafoan’ny ankizy isan’andro, raha isaky ny zoma no hanombohana azy.
Nilaza ny talen’ny sekoly, Raharilalao Marie Blandine, fa iantohan’izy ireo ny tany ambolena sy ny kianja. Nambaran’ny filohan’ny RCA Vovonana, Randrianarisoa Malalatiana, fa tanteraka ity hetsika ity vokatry ny tohana avy amin’ny vondrona orinasa Axian.
Njaka A.