Norombahin’ny Paris Saint Germain (PSG) ny amboaran’i Frantsa, rehefa nandavo ny ekipan’ny Olympique Lyonnais izy ireo, ny sabotsy lasa teo, tany Lille France. Baolina tafiditr’i Ousmane Dembele sy Fabian Ruiz mpilalaon’ny PSG no nitondra ny fandresena ho an-dry zareo.
Araka ny loharanom-baovao iray, nilaza ny tsy ho avy any Afrika Atsimo i Romain Metanire, Malagasy vodilaharan’ny Barea. Ankoatra izay, niantso an’i Angelo, Malagasy lohalaharana kosa ny mpanazatran’ny ekipam-pirenena Malagasy, ny maitre Rôrô. Tsiahivina fa milalao any La Réunion i Angelo.
Noraisina tao amin’ny CT Motors Andraharo ireo Malagasy mpilalaon’ny Ankoay 3×3, ny sabotsy lasa teo. Tsiahivina fa avy niatrika ny fifanintsanana “OQT” tany Debrecen izy ireo, ny 16- 19 mey teo. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo mpanohana ny Ankoay nandritra iny fifanintsanana iny ny CT Motors.