VAOVAO TAMBATRA

Miisa 40 ny orinasa vonona hiditra ao anatin’ny tetikasa Fier, hanohanana ara-bola amin’ny angovo maharitra. Tanjona ny hampiakatra avo 2 heny ny herinaratra vokarina eto amintsika, hatrany amin’ny 80 000 fanampiny. Manohana ny fanjakana manatanteraka ny Fier ny Pnud, ny Onudi ary ny UNCDF.

Miisa 38 mianadahy ireo niofana mahakasika ny fiompiana trondro tany Mahajanga I. Resy lahatra izy ireo fa asa mahomby sady mahavelona tsara ity seha-pihariana ity. Nampihatra avy hatrany ny fiofanana maimaimpoana noratoviny tao amin’ny toeram-piofanana CDA Mahajanga, izy ireo.

Seha-pihariana mampiavaka an’i Madagasikara ny famokarana lohamenaka satria mampiroborobo ny toekarena. Tsy afa-misaraka ity seha-pihariana ity sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Misokatra, ankehitriny, ny tranonkala https://www.huilesessentiellesmg.com/ ahalalan’ireo mpisehatra sy ny mpamokatra ireo tsara ho fantatra rehetra.

Nanome toky ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy hamboarina ny lalana mankany Analalava, faritra Sofia. Efa maro ny fotodrafitrasa vitan’ny fanjakana any an-toerana. Anisan’izany ny fanajariana ny seranan-tsambo, ny hopitaly manara-penitra, ny lalana rarivato ao an-tampon-tanàna, sns.

Partager sur: