Akora avy amin’ny simenitra : tanora 150 miofana any Antsirabe

Ho tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny vondrona Alpha Ciment, izay natao sonia ny volana avrily, notontosaina tao amin’ny CFP Antsirabe, ny herinandro lasa teo, ny fankatoavana ny lasi-panofanana novolavolaina niaraka tamin’io vondrona io.
Notohizana tamin’ny fampiofanana ny mpampiofana miisa 14 amin’ny famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny simenitra izany. Mbola niarahana tamin’ny Alpha Ciment hatrany. Na­haritra roa andro ny fiofanana, nahitana ny fandraisana anjaran’ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana (METFP, Alpha Ciment, DRETFP Vakinankaratra, mpampiofanana, ary ireo “Ateliers de fabrication métallique”, toy ny ACX, Aca­meca…
Araka ny voafaritry ny fifanaraham-piaraha-miasa nifanaovan’ny rao tonta, nanomboka omaly ny fanofanana faobe handraisan’ny tanora 150 anjara, mahakasika ny famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny fanofanana amin’ny fanamboarana ireo “machines manuelles multifonctions”. Hifarana ny 21 jona ho avy izao ny fanofanana. Hatao any Tritriva sy Andranomanelatra ny momba ny BTP (Production de matériaux à base de ciment) ary amin’ny LTI Kamafa Vatofotsy ny momba ny machine (fabrication de machine manuelle multifonction).

Vonjy

Partager sur: