Fidorohana rongony : roa lahy nahatrarana méthamphétamine

Nosamborin’ny zandarimaria ny roa lahy nahatrarana rongony mahery vaika, «méthamphétamine», tao Ambohi­miandrisoa, Antsirabe, ny 25 mey teo. Tsy tapaka mpividy, nanaitra ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo fa mivarotra karazan-java-mahadomelina mahery vaika anisan’ny manimba tanora eo amin’ny tanàna ilay tovolahy. Nisava ny trano fonenan’io olona ahiahiana io ny zandary. Vokany, noraisim-potsiny teo am-pikirakirana méthamphétamine io lehilahy malaza ho mpivarotra io sy ny mpividy iray. Nilanja 1 grama ny zava-mahadomelina tratra tao amin’izy ireo. «Mitetina ana hetsiny ny vidin’ny 1 grama amin’io karazan-drongony mahery vaika io”, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny famotorana. Nogiazana avokoa ny fitaovana fampiasan’ilay mpivarotra, toy ny fitaovam-pitsindromana, vatoafo sy ny fingotra. Notanana atao famotorana ireo roa lahy.

Tsiferana R.

Partager sur: