Mahasarika ny teratany vahiny ny vokatra malagasy. Ankehitriny, tonga eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ny delegasiona Kanadianina sy Afrikana Tatsimo, tarihin’ny Trade facilitation office (TFO) Canada. Hanitatra ny tsena amin’ny fanondranana ny vokatra malagasy mankany ivelany izy ireo.
Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ara-barotra. Ankehitriny, tonga eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo Malagasy mpandraharaha, manodidina ny 40 isa, mandritra ny roa andro, ny delegasionina mpividy vokatrra miisa valo, avy any Kanada sy Afrika Atsimo, mpikambana ao amin’ny TFO Canada. Nanomboka omaly, nitafa mivantana (BtoB) amin’ny mpandraharaha eto an-toerana ireto vahiny mpandraharaha ireto amin’ny fomba hanondranana ny vokatra any ivelany. «Vehivavy misehatra amin’ny lalam-pihariana lavanila, jirofo, voamaina, ny vokatry ny asa tanana, mandraharaha eo amin’ny fambolena (agribusiness) sy ny maro hafa ny 80% amin’ireo mpandraharahana hihaona amin’ireo vahiny», hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny varotra (DGC), Razanakoto Andrianirina Isidore, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika «Mission d’acheteurs Canadiens et Sud-Africains à Madagascar», omaly, tetsy Ambodivona. Ho resahina manokana ihany koa ny tsena iraisam-pirenena, ny fanondranana ny vokatra avy eto amintsika mankany ivelany.
Tetikasa Pic
Miara-misalahy manatanteraka ity hetsika ity ny minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA), ny TFO Canada sy ny Antenimieran’ny Varotra Kanada-Madagasikara (CanCham) ary ny tetikasam-panjakana “Pôles intégrés de croissance – projet de Transformation économique (PIC)”. «Tafiditra ao anatin’ny tohana omen’ny tetikasa Pic ny fandraharahana eo amin’ny sehatry ny fambolena, izany hoe, manomboka amin’ny famokarana hatrany amin’ny fanondranana», hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa, Rakotoarijaona Narindra. Miara-miasa amin’ireo mpisehatra ara-toekerana sy manampy amin’ny fampihaonana ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha, toy ny hetsika izay hatao kosa ny andraikitry ny CCIA, hoy ny lahatenin’ny tale jeneraliny, Andrianaivo Herinirina.
Henintsoa Hani