FIM andiany faha-18: nomena lanja ny sehatry ny toekarena

Fandraharahana. Nifarana ny alahady teo ny «Foire internationale de Madagascar» (FIM) andiany faha-18, izay natao nandritra ny hefarana, teny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Niavaka tanteraka ity andiany ity, satria naverina sy nampiakarina teo amin’ ny lazany maneran-tany ny hetsika ara-toekarena, tamin’ ny alalan’ny fahatongavan’ireo firenena avy any ivelany toa an’i Frantsa, Azia ary Maorisy, izay nasaina manokana. «Nomena vahana ihany koa ny tontolon’ny fandraharahana izay nahafahan’ireo orinasa mahita mpiara-miombon’antoka sy mitady fiaraha-miasa», hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’ny Hazovato Forello, Tselany Athena. Samy afapo na ireo mpandray anjara na ireo mpikarakara ny hetsika. Nam­pa­narahana ny fenitra iraisam-pirenena ny hetsika, tamin’ny alalan’ireo fanavaozana ireo fotodrafitrasa maro samihafa natao, hoy hatrany ny fanamarihany. Azo antoka fa nampiakatra avo ny tontolon’ny fandraharahana ny FIM andiany faha-18.
Tsiahivina fa maherin’ny 200 ireo mpandray anjara, izay samy nampahafantatra ny tolotra sy ny seha-pihariany ataony.

Henintsoa H.

Partager sur: