Loka Pierre Castel: voafantina ireo tetikasa miisa enina

Maherin’ny 200 ny tetikasan’ny mpandraharaha zandriny voarain’ny orinasa Star, hifaninana amin’ny Loka «Pierre Castel (PPC) 2024». Nahafeno ny fepetra ny 45, ka hifaninana amin’ny dingana manaraka ny 6 amin’ireo.

Anisan’izany ny orinasa Gasy Explorer avy any Ikongo, manodina ny akondro ho lasa koba ho an’ny zaza. Ny Bio Source Farm (BSF) avy any Atsinanana, manangona ny fako organika, sy miompy lalitra mainty ary manodina ireo ho lasa zezika organika. Ny LAE eto Analamanga, mamokatra lafarinina varim-bazaha feno. Ny Kaoperativa Tana­masoandro avy any Fito­vina­ny, mamokatra vary mora masahana tsy misy akora simika, natoraly 100%. Ny Zoahary Baobab avy any Atsimo Andrefana, manodina vovoka sy menaka baobab. Ny Moli Company Analamanga, mamokatra kafe avo lenta, efa tafiditra tao anatin’ireo 6 voalohany tamin’ny andiany 2023.

Ho tombanan’ny mpitsara PPC eny ifotony ny tetikasan’ny tsirairay amin’ny faran’ny volana mey izao. Hanolotra am-bava ny tetikasany izy ireo avy eo, hamaritana ny roa voalohany, manoloana ny mpitsara lehibe avy amin’ny Fonds Castel amin’ny fama­tsiam-bola.

Njaka A.

Partager sur: