Hanainga anio, hihazo an’i Afrika Atsimo, ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mety hitondra ny marika matihanina Umbro ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana farany eo amin’ny FMF, fanamian’ity marika iray ity no hanaovan’ny ekipa malagasy mandritra ireo lalao roa hifanandrinana amin’i Comores sy Mali.
Tsara ny mampahatsiahy fa ny marika Umbro, efa nosaloran’ireo ekipam-pirenena brezilianina, ny taona 1990-1997. Raha ny eto Afrika, ny ekipa nasionalin’ny RDCongo no manao azy. Ankoatra izay, hanomboka rahampitso ny fampivondronana ireo mpilalao Barea. Anisan’ireo nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena i Angelo sy Thierno Millimono. Tsara ny mampahafantatra fa i Thierno Millimono, milaravinahitra any Luxembourg ary i Angelo, dia atsy amin’ny nosy rahavavy, La Réunion. Tsy ho avy noho ny ratra manjo azy kosa i Romain Métanire. Andrasana, araka izany, izay lisitra ofisialy hivoaka handeha ho any Afrika Atsimo.
F.R