Mpiasa voaroaka ny iray: efa-dahy nandroba tranombarotra voasambotra

Jiolahy nisaron-tava nanafika tranombarotra tao amina tokantrano iray tao Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mpiasa taloha efa voaroaka no tompon’antoka.

Nanafin’endrika tamin’ny alalan’ny saron-tava, jiolahy mirahalahy na­nafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Ambovo, kaominina Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mivarotra kojakoja madinika ilain’ny mponina andavanandro ireo lasibatra. Niditra an-keriny tao an-trano ireo olon-dratsy ka nitaky ny vola sy ny zava-tsarobidy rehetra tamin’ny tompon-tsena. Tsy nanaiky anefa ny lasibatra fa nanohitra ireo mpandroba. Tsikaritry ny raim-pianakaviana lasibatra fa anisan’ireo jiolahy ny iray tamin’ny mpiasan’izy ireo izay efa noroasina. Nanao mora, araka izany, ny fisamborana ireo jiolahy.

Tratra niaraka amin’ny fiara

Nahare ny zava-nisy, nidina ifotony nanao famotorana, ny zandarimaria miasa eo anivon’ny kaompania Ambohi­dra­trimo. Noraisim-potsiny taorian’io ireo efa-dahy nanao ny fandrobana tao amin’ilay tranombarotra. Sarona niaraka amin’ny fiara iray nentiny nanaovana io asa ratsy io izy ireo. Nentina natao famotorana eny anivon’ny biraon’ny zandary ireo jiolahy voasambotra. Natolotra ny fampanoavana toarian’izay ka notanana vonjimaika am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy. Raha tsiahivina, mpamaky trano iray hafa, voasambotry ny zandary tao Ivato, ny zoma 24 mey lasa teo. Nihanika lavarangana izy ka tazan’ny manodidina. Tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: