Rahampitso no higadona ny daty malaza! Hanamarika indray ny zotra politikan’ny firenena malagasy. Hotanterahina manerana ny Nosy ny fifidianana izay ho solombavambahoaka, handrafitra ny Antenimierampirenena. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fampielezan-kevitra. Vitsy ny rahonakely nandalo, tahaka ny nahafaty ny kandidà iray ireny, ohatra.
Taratry ny “Demokrasia malagasy” avokoa ireny, taratry ny fahafahana manao izay tiana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ady fiady sy paipaika ho an’ny mpifanandrina avokoa izany. Tsy maintsy mitady fandresena rahateo ny mpanohana fitondrana, mba hisian’ny fahamarinan-toerana. Tsy afaka ny nanao tandrevaka tamin’ny fomba hampandaniany tena ny kandidàn’ny “fanjakana”. Raha sanatria tsy lany depiote, mety tsy ho tafaverina minisitra rahateo. Aleo manao vy very ny aina.
Tsy fotoanan’ny adihevitra amin’izany intsony moa anio, efa nikatona rahateo ny fampielezan-kevitra. Izay tsy nahavita ny azy tao anatin’izay 21 andro izay dia efa tsy nanao raha. Nalalaka ny kianja nilalaovana, tsy nisy rahateo ny fanaraha-maso ny loharanom-bola nanaovana fampielezan-kevitra. Izay manam-be dia afaka nanatobaka sy nanao fety aman-danonana. Ankoatra ireo, tia manolotolotra fanomezana kely.
Amin’ny maha zava-dehibe ny fifidianana rahampitso, tsy azo atao ambanin-javatra ny fanentanana ny mpifidy havitrika handeha handatsa-bato. Ampirisihina hanao rodombe ireo anaty lisitra sy nahazo karatra. Fifidianana ifotony io, manana adidy goavana ny mponina eny anivon’ny fokontany isanisany. Mandrora mitsilany izay tsy mandeha mifidy, satria mamela malalaka izay mety ho fahavalom-bahoaka hahazo seza sy higoka ny tsy maha maty manota.
Mila mijoro amin’ny maha rafitra tsy mitanila azy koa ny HCC izay efa nampiahiahy ny mpanao politika hatrizay. Toraka izany ny Ceni, mba ho vaomiera tena mahaleo tena tanteraka!
r.r