Tontosa omaly, tao amin’ny tanànan’Ampasimanolotra Brickaville, ny fanolorana ny orinasa Bricka Chips. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, no nanolotra izany, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory”(ODOF), izao fotodrafitrasa izao. Ny ODOF izay tetikasa napetraky ny fitondram-panjakana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fihariana sy ny famokarana ho tombontsoan’ny toekarena malagasy. Tanjona amin’izao ny hampiakatra ny fari-piainan’ny mponina ao amin’ny distrika misy ny orinasa, amin’ny alalan’ny fisian’ny mpandray ny vokatr’izy ireo, amin’ny vidiny mifanaraka amin’ny filan’ny mpamokatra.
Tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ny fampiroboroboana ny indostria. Izany indrindra no antony nanolorana sy nanohanana izao orinasa izao, ho famaliana ny filan’ny vahoaka eny ifotony. Orinasa manodina ny soanambo, akondro, mangahazo, vomanga, saonjo, ary ovy ho “chips” ny Bricka Chips. Tsara marihina fa mamokatra akondro 150 000 taonina sy vomanga 40 000 taonina isan-taona ny distrikan’Ampasimanolotra. Mbola ny eo anivon’ny distrika misy azy ireo ihany aloha hatreto no misitraka izany vokatra izany. Efa andalam-pitadiavana lalam-barotra hafa hivarotana ny vokatra ihany koa izy ireo, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Ny Kaoperativa Tanjona Mamokatra no mitantana ity orinasa ity. Efa amperinasa izy fa mbola 400 kg isan’andro no vokatra vokariny amin’izao fanombohany izao, raha 100 kg isan’ora ny fahafaha-manaony.
Lin