Hotanterahina eny amin’ny la Base 213 Arivonimamo, ny dingana faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “Rally Run Mada 2024”. “Hiavaka ny fifanintsanana amin’ity. Hasiana lera amin’izay ny lalaon’ireo mpifaninanana Open”, hoy ny mpikarakara, Ranaivo Rindra, filohan’ny klioba Antananarivo Moto Auto (Ama), ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny CT Motors Andraharo.
Raha ny fanazavana nataon’ireo mpikarakara, hosokajiana araka ny tanjak’ireo fiara ny lalao eny an-toerana. Hisy ny “Pro Run”, ny “Super Run” ho an’ireo fiara latsaky ny 250 CV ary ny Run ho an’ny -200 CV. Tsara marihina fa mirefy 402 m ny halavirana amin’ity fifanintsanana ity. Hotontosaina ny alakamisy ho avy izao kosa ny fivoriana ara-teknika raha tsy misy ny fiovana, hoy hatrany ny lehiben’ny klioba Ama.
Handeha mivantana amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny klioba Ama ity lalao ity, araka ny nambaran’ny mpakarakara.
Tsara ny mampahatsiahy fa lasan’i Herizo Boarilaza na i Bobo, mitondra ny fiara Mitsubishi Evo V, ny fandresena, nandritra ny andiany voalohany izay natao teny Arivonimamo, ny 28 avrily lasa teo. Marihina fa miisa dimy ny dingana amin’ny fifanintsanana “Rally Run Mada 2024”.
F.R