Nitsidika ilay sambo hopitaly Africa Mercy ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, sy ny mpanolotsaina momba ny politika sy toekarena, Juliana Kim, nandritra ny fitsidihany ny tanànan’i Toamasina. Nanomboka ny volana febroary no efa niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity sambo vaventy ity ary efa niroso tamin’ny fifantenana ireo olona afaka hisitraka ny fitsaboana ataon’ireo dokotera mpandidy maromaro ao anatiny. Efa maro ireo nisoratra anarana ho amin’izany saingy nisy ny fepetra napetraka ary voafaritra mazava ny karazana fandidiana hatao.
Andalam-panomanana ny fandidiana voalohany amin’ity taona ity ireo ekipa mpitsabo ao aminy, amin’izao fotoana. Ny ONG amerikanina Mercy Ships no mitantana ity sambo hopitaly ity, izay mikendry hanatanteraka fandidiana maimaimpoana maherin’ny 2 500 ao anatin’ny roa taona. Voakasika izany ny sima sy ny vaky lanilany, ny tongotra bingo, ny hoditra mikainkona sy ny areti-maso.
Fandidiana 6 425 sy fitsaboana nify 52 000 no nataon’ny Mercy Ships teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 1996. Narahina fampiofanana ny mpiasan’ny fahasalamana maro izany asa soa izany.
Tatiana A