Semipi – Fianarantsoa : nahazo fampitaovana avy amin’ny firenena sinoa

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny firenena sinoa. Nitondra fampitaovana ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa ny ambasadaoron’i Sina miasa eto amintsika, Ji Ping.

Nitondra fampitaovana ho an’ny Semipi ao Fianarantsoa ny firenena sinoa ka nanolotra izany tamim-pomba ofisialy ny ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto amintsika, Ji Ping, afakomaly. Nandray ireo fitaovana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny lehiben’ny Etama­zaoron’ny Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo ary ny kaomandin’ny Semipi, ny Kly Ndra­manoro Hobindraza Donatien. Mariky ny fivelaran’ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny firenena roa tonta izao fampitaovana entina manatsara hatrany ny famolavolana ireo mpianatra izao ary hanampy azy ireo amin’ny lafim-pivoarana samihafa, araka ny fanazavan’ny ambasadaoron’i Sina. Naneho fankasitrahana ho an’ny firenena sinoa tamin’ny anaran’ny fanjakana malagasy ny MFA ary nanamafy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana efa nisy teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny firenena sinoa. Nam­baran’ny MFA fa zava-dehibe ho an’ny sekoly sy ny mpianatra ny fanomezana toy izao satria ilain’izy ireo amin’ny fiainany andavanandro izany. Marihina fa fitaovana miompana amin’ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra, boky fianarana, baolina entina manao fanatanjahantena ireto avy amin’ny fanjakana sinoa ireto. Ankoatra ny fampitaovana, efa miditra tanteraka ao anatin’ny fianarana teny sinoa ny Semipi vokatry ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Tafika malagasy sy ny fanjakana sinoa.

Jean Claude

Partager sur: