Hanatrika fiofanana natokana ho an’ireo zazavavy mpilalao basikety latsaky ny 23 taona any Kigaly Rwanda, ny 27 mey-2 jona ho avy izao, Rakotonanahary Joanie Anyssa. Hetsika izay mitondra ny anarana hoe « BAL’HER Camp », karakarain’ny Fiba eto amin’ny kaontinantan’i Afrika.
Afaka tapa-bolana, handeha ny fifaninanana “Trophée du Choc”, andiany fahefatra amin’ny taranja Muay Thai. Anisan’ny lalao tena andrasan’ny maro amin’ity ny fifanandrinan’ilay Malagasy nakmuay, Fazaraly Razanajatovo na i Superbadboy sy ilay renioney, Johnny Gauvin. Efa ao anatin’ny fanoman-tena tsara i Fazaraly amin’izao fotoana izao.
Afapo tanteraka tamin’ny fampiofanana nataon’i Royce Gracie, mpikatroka hay ady Jiu-jitsu brezilianina, ireo Malagasy judokas, karatekas sy ny mpanao tolona ary ny jiujitsukas teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady lasa teo. Nilaza ny mbola hiverina eto Madagasikara i Royce Gracie, amin’ny taona manaraka.
Afaka efatr’andro, hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Hiady ny amboara amin’izany ny Real Madrid Espagne sy ny ekipan’ny Dortmund FC Allemagne. Tsiahivina fa mbola manala vela ny Dortmund.