Tahan’ny alikaola amin’ny mpamily : hentitra ny fanaraha-maso rehefa faran’ny herinandro

Manohy ny “Opération coup de poing” ireo tomponandraikitra, isaky ny faran’ny herinandro. Hentitra ny fanaraha-maso ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily isorohana ny lozam-pifamoivoizana.

Nanao tatitra ny hetsika fitiliana alikaola amin’ireo mpamily ny faran’ny herinandro teo ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, izay iandraiketan’ny Agence des transports terrestres-ATT, mi­a­raka amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena.
Ny zoma sy sabotsy no nanatanterahina izany ka niisa 125 ireo mpamily fiarakodia nanaovana fitiliana tahan’alikaola. Ny 12% amin’izy ireo ihany no nahitana tahan’alikaola tao anaty vatany, araka ny vokatry ny fitiliana. Tsy nisotro zava-pisotro mahamamo kosa ny 88%.
Tamin’ireo mpamily kodiaran-droa indray, nahitana alikaola ny 9%, 170 no nanaovana fitiliana. Nadio kosa ireo 97% ambiny.
Ankoatra ny fisavana ny tahan’ny alikaola dia mijery ihany koa ireo karazana fandikan-dalàna ataon’ny fiara sy ny kodiaran-droa ny tomponandraikitra mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Ma­n­dray ny andraikiny avy hatrany ireo manam-pahefana ma­noloana izany.
Nanamarika ny ATT mahakasika ny fitaovam-pitiliana alikaola fa misolo vaovao isaky ny mpamily hatao fitiliana ny “embout” izay tsofina ary ariana avy hatrany vao vita izany fitiliana izany satria saro-pady ny fahasalamana.
Mitohy ny ezaka amin’ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny fifamoivoizana ataon’ ny ATT.
Ny faran’ny herinandro, indrindra ny alina, izay fotoana maha betsaka ny fivoahan’ny olona mialavoly sy mimamo. Miteraka lozam-pifamoivoizana matetika izany ka anisan’ny antony hanaovana ny “Opération coup de poing”, indrindra amin’ireo tanàna mafana eto Antananarivo sy ny manodidina.
Tsy tokony handray zava-pisotro mahamamo rehefa hitondra fiara na moto isorohana ny loza mety hitranga.

Tatiana A

Partager sur: