Tetikasa ProPFR: karatany 80 000 sy titra 10 000 hozaraina

Mifantoka amin’ny fahazoana tany ny tetikasa ProPFR ao amin’ny GIZ. Tena kendrena amin’izany ny vehivavy sy ny vondron’olona voahilika eo amin’ny fiarahamonina any amin’ny faritra Diana sy Boeny.

Mitentina 15 600 000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny minisitera Alemà ho an’ny fiaraha-miasa (BMZ), ho an’ny Tetikasa fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany tomponandraikitra (ProPFR-GIZ). Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana azy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT).
Voafaritra ao anatiny ny hanajariana ny tontolo an’ala ho an’ny mponina ambanivohitra any Diana sy Boeny. Nanomboka ny taona 2017 ny tetikasa ary hifarana amin’ny 2025.
Vokatra andrasana ny hizarana karatany miisa 80 000 sy titra tany miisa 10 000 ao anatin’ny kaominina 42 voakasiky ny tetikasa any Diana sy Boeny. Mahatratra 110 000 ha ny velaran-tany misy fambolena hohajariana, miampy ala sy kijana ho an’ny biby izay mirefy 230 000 ha hoharenina.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny ProPFR-GIZ, mbola misy ny faritra manana fomban-drazana tsy manome zo ny vehivavy hisitraka tany. Maro koa ny vehivavy tsy manam-bady mamelon-tena irery na miaraka amin’ny zanany, ka tsy manana tany hohajariana sy hivelomana. Izay no mahatonga azy ireny hatao laharam-pahamehana.

Fiofanana sy fahaiza-manao
Mizara efatra ny asa natao. Fiarovana ny tany ho an’ny mpisitraka. Omen-danja ny fahazoana tany ho an’ny vehivavy sy ny vondron’olona marefo. Vahana ny olan’ny fananan-tany, iarahana amin’ny Sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif). Averina amin’ny laoniny ny tontolo an’ala (RPF). Hamafisina ny fahaiza-manao sy mitantana eny ifotony.

Raha ny zava-bita, miisa 50 000 ny ampahan-tany voaray an-tsoratra ka misoratra amin’ny vehivavy ny 20 000. Miisa 42 ny ben’ny Tanàna nofanina mahakasika ny fananan-tany, 140 ny mpisehatra ara-panjakana, ka vehivavy ny 67 amin’izy ireo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: