Vonona hanamarika ny faha-38 an-tsehatra ny tarika Kiaka. Ho feno 40 taona aza raha ny marimarina kokoa… Efa nanomboka herinandro maromaro, ka hitohy ny zoma 31 mey, manomboka amin’ny 7 ora hariva izao izany, ao amin’ ny Espace Arcancia Ankadindratombo, Alasora.
“Kiaka” ihany ny tanjona ny sabotsy 1 jona ao amin’ny Espace Arcancia Ankadindratombo manomboka ny 8 ora alina. “Izay revy rehetra nahafantaran’ny mpankafy, izay hira rehetra nandrasanareo dia alahatray avokoa”, hoy i Nini, mpihira fototra ao amin’ny tarika. Ankoatra izay, mbola manantena fa misy hetsika maromaro ihany koa ny aorian’izay.
Zo ny Aina