Vokatry ny fanohanana manokana ataon’ny orinasa Ambatovy amin’ireo ankizy amina kaominina maromaro manodidina azy, mianatra sy mahavita ny ambaratonga faharoa ny ankamaroan’ny mpianatra.
Nampahatsiahy ny tohana ara-panabeazana ireo ankizy mianatra manodidina ny orinasa hiasany ny ao Ambatovy. Anisan’ izany ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika izay natao hitsinjovana sy hampirisihana ireo mpianatra mazoto sy mendrika.
Tanjona ny hanome fahafahana ho an’ireo mpianatra handranto fianarana ambaratonga ambony ary hamaha ny olana ara-bola amin’ireo ray aman-dreniny.
Ireo mpianatra misitraka ity fandaharanasa ity dia mahazo vatsim-pianarana mitentina 3 000 000 Ariary, izay manala ny vesatra ara-bola mianjady amin’ireo ankohonany ary ahafahany miatrika am-pilaminana sy mifantoka tanteraka amin’ny fianarany sy ny vinany. Nanomboka ny taona 2008 ihany koa ny orinasa Ambatovy no niantoka ny ampahany amin’ny saram-pianaran’ny ankizy latsaky ny 13 taona ao amin’ny kaominina sasany manodidina ny orinasa. Miantoka manontolo ny fiofanan’ireo tanora miofana sy mianatra eny amin’ny oniversite avy ao Vohitrambato izay tanàna namindrana ireo mponina nipetraka taloha teo amin’ny toerana misy ny ozinina Ambatovy ankehitriny.
Ankoatra ireo, ny fiahiana manokana ireo mpianatra vehivavy avy amin’ny fianakaviana tena sahirana. Mitohy ihany koa ny fanomezana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra mendrika izany.
Hery lehibe ho an’ny mpianatra ny fisiana tohana toy izao ho fanentanana azy ireo amin’ny fianarana. Maro ireo tsy maintsy mijanona amin’ny fianarana noho ny tsy fahampiana ny eo am-pelatanan’ny ray aman-dreny ka voatery miasa ny ankizy.
Ialana amin’izany indrindra no ezaka ataon’ny orinasa Ambatovy ho fandraisana anjara amin’ny famolavolana ireo ankizy sy tanora ho olom-banona sy hahavita fianarana.
Tatiana A.