Nisokatra nanomboka ny sabotsy teo ny taom-piotazana lavanila ao amin’ny faritra Diana. Hentitra ny fanaraha-maso noho ny fampiasana ny karatra manokana hanamarihina ny fifanakalozana ara-barotra. “Harahi-maso ny toerana hamarotana ny lavanila arakaraka ny tetiandro izay nomanina niaraka tamin’ny CRV. Noho izany, mampiseho ny karatra maha matihanina ny mpanangom-bokatra, na ny mpandraharaha iray”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitra iray any an-toerana. Tsy mbola nametra ny vidin’ny farany ambany ny lavanila maitso kosa ny fitondram-panjakana. Na izany, tsara ny vokatra ka velom-panantenana ireo mpisehatra samihafa any amin’ny faritra. Ho an’ny faritra Diana, vidina 61 000Ar ny kilaon’ny lavanila raha toa ka manodidina ny 45 000Ar izany ao Ambanja.
Kalitao
Tsara kalitao ny lavanila ao amin’ny faritra Diana araka ny fanazavavan’ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana (DRIC) ao Diana. Nanomboka ny herinandro teo, mirohatra mankany Ambanja avokoa ireo mpanangom-bokatra avy any amin’ny faritra hafa. Porofo izany fa mahasarika ny maro ny vokatra. Marihina fa anisan’ny mamokatra lavanila tsara kalitao indrindra ao Ambanja raha oharina amin’ny faritra hafa. Araka izany, velombolo ireo mpisehatra isan-karazany fa ho tsara ny tsena mandritra ity taom-piotazana ity ka hipaka eo amin’ny sehatry ny toekarena manerana ny Nosy izany.
Henintsoa Hani