Handball : hisolo tena ny faritra faha-7 ny Akio

Fantatra izao fa hisolo tena ny faritra fahafito eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny “IHF Trophy continental 2024”, ny Akio de Madagascar, sokajy cadet sy junior, lehilahy. Raha tsiahivina, nahazo ny tapakila hiatrehina izany ny cadet taorian’ny fandresen’izy ireo misesy an’i Seychelles sy i Comores. Fihaonana notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady lasa teo.
Faharoa kosa ny junior rehefa lavon’i La Réunion, teo amin’ny famaranana. Noho ry zareo Renioney tsy tafiditra ao anatin’ny faritra fahafito, misolo toerana azy ireo ny Akio de Madagascar. Hatreto, tsy mbola hay ny firenena hampiantrano ity “IHF Trophy continental” ity. Any amin’ny volana septambra raha ny fanambarana avy amin’ny Federasiona malagasy vao ho fantatra izany. Eo koa ny hahalalana ny daty hanatontosana ny fihaonana. Tsiahivina fa firenena telo no niady ho lohany tamin’ity IHF ho an’ny faritra fahafito ity, i Seychelles sy i Comores ary i Madagascar.

Tompondaka

Partager sur: