Niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifandirana nisy teo amin’ny mpivady tao anaty trano fandihizana iray tao Antalaha, ny alin’ny alahady 26 mey teo. Rafilahin-drangahy ihany no namono azy.
Maty tsy tra-drano voavelin’ny tavoahangy nataon’ny rafilahiny ny lehilahy iray tao Maromikotra, kaominina Ampahana, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 26 hifoha 27 mey teo. Naka ny vadiny tao amina trano fandihizana iray io lehilahy io, tamin’ ny 11 ora sy sasany alina. Nanda anefa ilay ramatoa izay efa tao anatin’ny hamamoana. Niezaka hisintona azy ilay vadiny kinanjo niditra an-tsehatra tampoka tamin’ny adin’ izy mivady ny lehilahy iray hafa voalaza ho sakaizan’ilay ramatoa. Nively tavoahangy sy namono ny vadin-dramatoa avy hatrany izy. Naratra mafy voa teo amin’ny lohany ilay lehilahy tompom-bady. Vokatry ny fahaverezan-dra be loatra, nitambotsitra teo no ho eo ity farany. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireo nanatri-maso saingy tsy tana ny ainy. Tetsy ankilany, naharay ny zava-nisy avy tamin’ny tsara sitrapo ny mpitandro filaminana. Nijery ny zava-nisy sy nanokatra fanadihadiana. Tsy hita popoka ny nahavanon-doza hatreto. Natolotra ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’ilay lehilahy tompom-bady. Manao ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria miasa ao an-toerana.
Tsiferana R.