INDRAY MIJERY

Vinavinaina hijanona ho antonony amin’ny ankapobeny ny kalitaon’ny rivotra eto Antananarivo, ao anatin’ny telo andro ho avy. Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hahakasika ny toetry ny andro eto Madagasikara hatramin’ny 3 jona ho avy izao. Ny tsiokan’ny alizay no handrafitra ny toetry ny andro, izay hahazo vahana kokoa manomboka anio.

Anisan’ireo firenena mandray anjara amin’ny fihaonambe maneran-tany faha-77 momba ny fahasalamana i Madagasikara, ka ny minisitry ny Fahasala­mam-bahoaka no mitarika ny delegasiona miatrika izany. Nanomboka ny 27 mey hatramin’ny 1 jona ho avy izao izany, izay atao any Genève Suisse.

Manatanteraka varavarana misokatra ny hopitaly Fenoarivo, anio sy rahampitso. Fitiliana karazana aretina maro toy ny diabeta sy fitsapana ny tosidra ary fizaham-pahasalamana tsy misy sarany no hatao amin’izany. Maimaimpoana ihany koa ny fanafody hanombohana ny fitsaboana amin’ireo andro ireo.

Tonga nandray an-tanana ny fahasalaman’ireo mponina niharam-boina vokatry ny haintrano niseho tany Ehovatraha ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny fitaleavam-paritry ny fahasalamana. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana, nitondra ny vatsy hiavotana ihany koa ny iraky ny fanjakana.

Partager sur: