Samy manana ny fomba hoentiny mankalaza ny « Iray volan’ny teny malagasy » manomboka ny 1 jona izao ny sehatra tsirairay. Voaresaka matetika ireo zava-mamotika ny teny malagasy, fa tsy mba voateny ny mahamaika!
Teny miaina ny teny malagasy, satria, mbola eo ny Malagasy mampiasa azy! Tandindonin-doza anefa izany, noho ny antony lehibe maro. Teny malagasy afangaro amin’ny teny vahiny. Malagasy tompon’ny teny kanefa tsy mahafehy izany akory, sns. Ny fitadiavam-bahaolana amin’ireny tranga ireny no ifantohan’ny mpikaroka sy ny mpandala ny hasin’ ny teny malagasy. Misongadina izany rehefa tonga ny «Iray volan’ny teny malagasy».
Saika mitovy avokoa ny hetsika rehetra atao. Fampirantiana, famoahana boky, tafa mivantana amin’ny mpanoratra boky. Fihaonana amin’ ireo mpahay momba ny teny, sns. Mipoitra sy miboiboika avy amin’ireny ny fanambarana isan-karazany. «Mila omen- kasina ny teny malagasy». «Tokony hiteny malagasy ranoiray ny mpianatra any an-tsekoly». «Atao amin’ny teny malagasy ireo lalana na didy ampiasaina eto Madagasikara», sns. Mihodinkodina eo ihany !
Manan-karena voambolana ny teny malagasy. Maro amin’ireny no tsy hananan’ny teny hafa.
Tsy misy rototra amin’ny famohazana ny voambolana fahiny
Tao anatin’ny taona maro, variana amina famoronana voambolana vaovao ny mpikaroka. Natosik’ilay «fanagasiana hafahafa» nanomboka ny taona 1975 rahateo izany ka vao mainka nihazakazaka. Mila ampahafantarina ny Malagasy ireny voambolana fahiny ireny mba hoampiasainy andavanandro.
Manana hasina lehibe ny «andra» raha oharina amin’ny «masoandro». Malagasy vitsy, anefa, no mahalala izany. Tahaka izany koa ny «haody» raha hiditra na hivahiny amina toerana (tanana, trano…) iray. Hamerina ny hasin’ny Malagasy sy i Madagasikara ny fampiasana indray ireny teny fahiny ireny.
… Tsy anjaran’ny mpikaroka na ny avara-pianarana ireny ny mamerina na mamoha ny voambolana fahiny ho eny am-bavan’ny Malagasy indray fa anjaran’ny tsirairay !
HaRy Razafindrakoto