Zava-dehibe amin’ny fiainan’ny zatovovavy sy ny vehivavy ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana ary nanokanana andro iray ho fanamarihana izany isaky ny 28 mey. 12 ka hatramin’ny 16 taona no miatrika ny fadimbolana voalohany ny zatovovavy ary miverina isam-bolana izany mandrapahatongan’ny 50 taona na mihoatra. Mety kokoa ho an’ny zatovovavy ny miresaka amin’ny olona azo atokisana momba ny fadimbolana, ohatra ny reniny, ny rahavavy, ny namana vehivavy, ny mpanentana ara-pahasalamana, hanome torohevitra mahasoa. Maharitra telo ka hatramin’ny herinandro ny fandehanan’ny ra avy ao amin’ny tranonjaza ka ilaina ny fitandroana ny fahadiovana. Azo atao ny mampiasa salaka ampiasaina indray mandeha dia ariana na koa ireo azo sasany ho fitandroana ny tontolo iainana. Betsaka ny orinasa na fikambanana mampiasa vehivavy mamokatra ny salaka azo sasana sy ampiasaina matetika.
Tokony hisy toerana ahazoan’ny zatovovavy misasa sy manolo ny salaka eny anivon’ny toeram-pianarana hampilamina ny sain’izy ireo mandritra ny fadimbolana sy hitandroana ny fahadiovana.
Raha marary kibo mandritra ny fadimbolana, afaka manatona tobim-pahasalamana raha tena tsy zaka ny fanaintainana na misy tranga mampiahiahy. Miara-miasa amin’ny Fianakaviana Sambatra (Fisa) ny tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) amin’ny fanentanana ho an’ny zatovovavy momba ny fidiovana sy ny fahasalamana mandritra ny fadimbolana.
Vonjy