Vita soa aman-tsara ny fifidianana izay ho solombavambahoaka, manerana ny Nosy, omaly. Nilamina ny zava-drehetra tamin’ny ankapobeny. Tonga ara-potoana ny ankabeazan’ny fitaovana nentina niasa. Toraka izany ny mpiantsehatra rehetra teny anivon’ny birao fandatsaham-bato. Afaka niasa ny solontenan’ny kandidà. Mazava ho azy fa izay afaka nanakarama « delege ». Ity farany izay anisan’ny zava-dehibe amin’ny fangaharahana sy ny fahadiovan’ny fifidianana.
Nifanindran-dalana tamin’izany, maro ihany koa ny indrokely. Nisy ny birao fandatsaham-bato nahitana lesoka, toy ny fisian’ny biletà efa voamarika mialoha. Manamarina izany ny fahatongavan’ny solontenan’ny Birao mahaleo tena mahakasika ny fifidianana, Ceni. Tsy nahazoana fanazavana mazava ny mahakasika izay, fa tranga iray nisy.
Anisan’ny fototra ijoroan’ny fanjakana misy ankehitriny ny fisian’ny fifidianana mangaraharaha. Izay zava-niseho, omaly, dia porofon’ny zava-hitranga eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsy ampy ny filazana fa mandresy na resy i ranona, fa tsy maintsy ilaina ny fijery anaty manontolo lehibe iray. Iaraha-mahalala rahateo fa raha ny antontanisa nisy teny anivon’ny distrika dia nanana safidy nalalaka ny mpandatsa-bato.
Hita taratra raha ho an’ny eto an-drenivohitra, zava-dehibe ny fifandanjan-kery. Mbola noporofoin’ny mpifidy fa mifanintsanintsana moramora eo ny mpitondra sy ny mpanohitra. Mbola an’ny mpanohitra ny ampahany amin’ny vahoakan’Analamanga. Saika ireo distrika rehetra teto amin’ny faritra no nahitana ilay fifandanjan-kery.
Anisan’ny nanamarika ny fotoam-pifidianana, omaly, ilay fikirizan’ny samy mpanohana mikatsaka fandresena. Tsy hidirana lalina ny resaka ady fahefana fa ilay firaisam-pon’ny mpanohana no nanaitra. Hain-dRamalagasy ihany ny mifoha, miaro ny safidiny rehefa misy tombony ho azy. Misy aza ny sahy miofo an-kitsirano rehefa mahazo rirany kely.
Samy taratry ny fitiavan-tanindrazana avokoa izany. Taratry ny finiavana samy te handrombaka fahefana mba hahafahana mihetsika.
r.r