Nidonan-tsekotra! Tapitra hatreo ny tantaran’ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana fantatra amin’ny anarana hoe Rakotonanahary François de Charles na i Charles Be na koa i Mangerisetroka, araka ny fahafantaran’ny olona azy. Lavon’ny balan’ny zandary tao Anjeva Gara, ny alatsinainy teo izy. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tompon’antoka tamina fanafihana tao Andramanonga, ny 23 desambra 2018 i Mangerisetroka. Tsy vitan’izay fa nitohy tamina halatra omby tao Ambatofolaka, ny febroary 2023. Niverina nanohy ny asa ratsiny tao Andramanonga indray izy, ny 21 mey 2024. Ankoatra ireo, ny karazana halatra marobe efa mampiaiky ny mponina ao amin’ny fokontany Ambatofolaka, Anjeva Gara. Tratran’ny fokonolona teo am-pangalarana akoho izy ny 21 mey lasa teo saingy nanohitra ka naratra tamin’izany ny iray tamin’ireo andrimasom-pokonolona. Votsotra ihany anefa i Mangerisetroka tamin’io fotoana io ka saron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Anjeva Gara. Nentin’ny zandary hihazo an’Ambohimanambola izy mba hanaovana famotorana. Nandritra izany anefa, natorony ny zandary avokoa ireo namany ka efa voasambotra ny fito tamin’izy ireo. Nolazainy tao anatin’ny famotorana fa misy basy fampiasan’ izy ireo any amin’ny namany iray ka nanaiky izy ny hitarika ireo zandary any amin’io toerana misy ilay namany io. Teny an-dalana, nikasa hitsoaka izy nandritra ny fandalovana tao anaty kirihitr’ala ka voatery nitifitra ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano i Mangerisetroka.
Jean Claude