Rugby – XXL Top 12: hangotraka ny lalaon’ny Tam Anosibe sy ny 3FB

Hiverina indray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, taorian’ny 2 volana niatoany. Fandaharan-dalao anisan’ny goavana ary andrasan’ny rehetra ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny 3FB.

Hotanterahina ny alahady 2 jona ho avy izao, etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanam-pirenena taranja rugby “XXL Top 12”. Hiditra amin’ny andro faharoa ka lalao telo no voalahatra hatao amin’ity. Anisan’ny fi­haonana hanamarika izany ny fihaonana eo amin’ny Tam Anosibe sy ny 3FB (Fahasa­lamana).
Lalao hiendrika famarananakely mialoha ny fotoana. Ekipa diso mifankahalala tsara ny andaniny sy ny ankilany. Mitana ny laharana fahenina ry zareo Anosibe raha fahavalo kosa ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana. Raha tsiahivina, hanalavela amin-dry zareo 3FB ny Tam amin’ity. Fileovana roa samy manana ny mampiavaka azy ny roa tonta. Ny 3FB araka ny fantatra hampijoro ireo mpilalao vaovao. Ny Tam indray mampiasa ireo efa mahazatra azy, tarihin-dry Maholy sy Betsen.
Hangotraka, araka izany, ny lalaon’izy ireo ka ho resy izay tsy tsara fiomanana. Ankoatra izay, lalao mbola hitana ny sain’ny rehetra ihany koa ny fifandonan’ny USA Ankadifotsy (Tapany maitso) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Adin’ny samy kartie ka tsy hifampitsitsy. Ekipa ahitana ireo mpilalao teknisianina sy mailaka. Mitovitovy fomba filalao ny roa tonta ka sarotra ny hahalalana izany mety ho mpandresy.
Ankoatra izay, hanohitra ny Cosfa (Bebaoty) ny UASC Cheminots (Besetroka). Raha ara-taratasy aloha ambony ny miaramila izay mitarika vonjimaika eo amin’ny filaharana. Hiezaka handavo azy ireo ny boaikelin’ny Lagara amin’ity.
Hanokatra ny lalao rehetra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i sokajy vehivavy “D1”, ny FTM Manjakaray sy ny RCTS Soavimasoandro.

Tompondaka

Partager sur: