TSELATRA

Mpangalatra telefaonina tao amin’ny tranombarotra iray, tao amin’ny fokontany Ambolo­madinika, Toamasina, niharan’ny daroka sy vono nataon’ny fokonolona, afakomaly. Nilaza hividy telefaonina io lehilahy io kinanjo nentiny nandositra ny entana. Nifanenjehan’ny manodidina izy ka noraisim-potsiny.

Hita faty natsingevan’ny ranomasina tao akaikin’Antaiby Vietnam, distrikan’i Sambava, ny lehilahy iray natelin’ny rano, afakomaly. Nifampita­diavan’ny mponina manodidina ny vatan’io lehilahy io taorian’ny tsy nahitana azy saingy izao vatana mangatsiaka izao hany sisa natsipin’ny onja teny amoron-dranomasina izao.

Jiolahy raindahiny lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana rehefa nikasa hiketrika fanafi­hana tao anatin’ny fiandrasam-paty tao amin’ny fokontany Ambalangira Tsanofoha, kaominina Tovona, distrikan’i Farafangana, afakomaly. Nifam­pitifitra tamin’ny zandary hisambotra azy io jiolahy io ka izao lavo izao.

Sokatra folo tra-tehaka teny amin’ny lehi­lahy iray tao Anjado, distrikan’i Tsihombe, ny faran’ ny herinandro teo. Nokasainy amidy ireo sokatra ireo. Nogiazan’ny zandary avy hatrany ireo biby arovana voasokajy ho anisan’ny lany tamingana ireo.

Partager sur: