Maro ny zokiolona tsy matory rehefa alina fa ny atoandro izy no manao izany. Ny ankamaroan’ny zokiolona ihany koa very tadidy na efa tsy mahafantatra akory ny zavatra ataony matetika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara. Rehefa mifoha izy amin’ny alina, mety manao zavatra izay sendra azy eo : mangorona lamba, manao lakozia, mamafa trano, mivoaka ny trano mihitsy indraindray. Vokatr’izay, maro no mitsara avy hatrany rehefa mahita ny tranga fa mpamosavy ilay zokiolona. Mety ho marina ny fomba fijery nefa tokony hamakafaka sy hanadihady ny toetran’ny zokiolona rehefa antitra izy, ny fianakaviany sy ny manodidina fa tsy maika hitsara fotsiny. Maro ny zokiolona matimaty fahatany, tratran’ny fitsaram-bahoaka, na koa voazimbazimba ny maha olona azy satria nisehoan’ny tranga tahaka izany. Ambaran’ny fikambanana fa herisetra ny fanaovana izany amin’ny zokiolona.
Ankoatra izay, tian’ny zokiolona ny mihinana fanampin-tsakafo amin’ny alina rehefa taitra izy indraindray, araka ny traikefan’ny mpitantana ny fikambanana.
Vonjy