Fifanakalozana ara-barotra : hita eto ny 95% ny vokatra tadiavin’ny vahiny

Fahombiazana. Maro ta­min’ ireo mpandraharaha no nahazo fifanarahana ara-barotra taorian’ny fihaonana tamin’ireo vahiny mpandraharaha (kanadianina sy afrikanina tatsimo) nanomboka ny 27 mey teo. Nahafahana nampivelatra ny tsena any amin’ireo firenen-dehibe ny fihaonana, hoy ny fanazavana voaray. Voafa­ritra, nandritra izany, ny filan’
ireo teratany vahiny ka ananantsika avokoa ny 95% ny vokatra tadiavin’ireo mpandraharaha. Ao anatin’izany ny lavanila, ny hanitra isan-karazany, ny lohamenaka ary ireo vokatry ny fambolena samihafa. « Tsena lehibe azo handraharahana tsara ny any Kana­da sy Afrika Atsimo. Hahafa­hana misokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena izany izay hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny Malagasy mpandraharaha », hoy ny fanazavan’ny mpitantana ny orinasa Savanna Spices. Notohizany fa anisan’ny mahasarika ireo teratany kanadianina ny hanitra fanao amin’ny sakafo sy ireo vokatra fanondrana, raha toa ka mirona bebe kokoa any amin’ireo karazana lohamenaka i Afrika atsimo

Mampiroborobo

Ankilany, manampy ny Ma­lagasy mpandraharaha amin’ny fampivoarana ny seha-pihariany ny fifanakalozana ara-barotra toy izao. Izany hoe, aha­fahany mampitombo ny vola kirakiraina sy ny toekarena izany. Araka izany, afapo sy nahazo fifanaraham-piaraha-miasa avokoa ny ankamaroan’ireo mpandraharaha manodidina ny 40 isa nihaona tamin’ireo delegasionina vahiny ireo.

Henintsoa Hani

Partager sur: