INDRAY MIJERY

Hita taratra hatrany ny tsiokan’ny alizay any amin’ny tapany atsimon’ny afovoantany ary tsy marin-toerana izany any amin’ny afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Entanina ny mpampiasa ranomasina any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo atsinanana ary any amin’ny morontsiraka afovoany atsinanana hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana satria manonja be ny ranomasina nanomboka omaly ka hitohy anio.
Manomana dinika fihaonana natao hanamaivana ny fianakaviana mitaiza marary ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody. Ao amin’ny foiben’ny fikambanana ao Fenomanana Mahazoarivo no hanaovana izany, rahampitso. Natsangana ny taona 2017 ny hetsika ka ezahina atao isam-bolana ahafahan’ireo fianakaviana mizara ny olana mavesatra mianjady aminy isan’andro sy ahitany namana vaovao misedra olana mitovy.
Nampahatsiahy ny birao nasionaly miady amin’ ny famarinana olona fa azo sokajiana ho anisan’izany ny fananganan-jaza tsy ara-dalàna mba hahazoana loharanom-bola. Ity endrika iray ity dia mahasarona ireo fomba tsy ara-dalàna rehetra, toy ny fakana an-keriny, ny fividianana zaza hatsangana, na ny fanaovana taratasy hosoka hahafahana manangana zaza.
Nanao voin-kava-mahatratra tamin’ireo fianakaviana traboina nandritra ny haintrano niseho tany amin’ny fokontany Evatraha, kaominina Mandro­mon­dromotra, distrika Taolagnaro, ny BNGRC. Nizara fanampiana ho an’ireo fianakaviana miisa 180, ahitana olona 688 ny ekipa. Trano miisa 224 no kilan’ny afo tanteraka.

Partager sur: