Lasa niandry faty ny tompon-trano : nangalarin’ny jiolahy ny vary iray taonina

Noraisim-potsiny! Nohara­raotin’ny jiolahy nidirana ny tranon’ny tompon-trano iray tao Antsapanimahazo, distrikan’i Faratsiho, ny alin’ny 28 mey 2024 teo. Namonjy fiandrasam-paty ny tompon-trano tamin’io fotoana io. Niditra antsokosoko tao an-trano ny jiolahy telo ka nangalatra ny vary 11 kitapo sy tapany. Efa niandry tsy lavitra teo akaikin’ny trano ny sarety iray. Nametraka fitoriana teny amin’ny zandary ny tompon-trano noho izao fahaverezana vary izao. Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fanarahan-dia ny zandary ka voamarina ta­min’ny alalan’ny angom-baovao ny momba ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ity halatra ity. Tohivakana ny fisamborana ireto jiolahy ireto. Tao anatin’ny famotorana no na­ha­fantarana fa nihanika ny lavarangana ry zalahy ka niditra tao ambany rihana misy ny fitoeram-bary. Nanokatra ny varavarana avy ao anatiny tao ambany rihana ka nivoaka niaraka tamin’ireo vary. Tratra tany amin’izy ireo ny vary iray taonina efa nararaka teo ambony goelaka raha nodorana kosa ireo gony nisy azy mba tsy hahafantaran’ny tompony azy. Jiolahy telo no tompon’antoka tamin’ny halatra. Nisy roa lahy hafa kosa mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Ny iray mpanaraka akaiky ny toerana alehan’ny tompom-bary ka mandefa hafatra amin’ireo jiolahy, ny iray hafa kosa atidoha nikotrika sady nandamina ny fotoana hanaovana ny halatra.

J.C

Partager sur: