«LDC 2024» : hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Eoropa

Fito taona aty aoriana! Hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, rahampitso alina. Lalao famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”, ity hatao ity. Mbola manala vela ny ekipan’i Alle­magne.
Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real Madrid indroa, 3 no ho 1 sy 3 no ho 2, ny Dortmund. Tsara ny mampahafantatra fa in-13 nifanandrina ny roa tonta. Indimy nanao sahala ary intelo nandresy ry zareo Alemà raha toa ka inenina nahazo fandresena ny Espaniola.
Araka ny fikarohana natao, manana tombony amin’ity fihaonan’ny roa tonta ity ny ekipan’ny Real Madrid. Tsara ny mampahatsiahy fa famaranan’ny LDC faha-18 hatrehin’ny Real Madrid izao raha toa ka indroa ny Dort­mund no hiatrika izany.
Efa samy namoaka ny li­sitr’ireo mpilalao hiatrika izany avy ny roa tonta, ny alakamisy lasa teo. Ho an’ny Real Madrid, ao avokoa ireo kalazany toa an-dry Vinicus Jr, Bellingham, Rodrigo sy Val­verde ary Toni Kroos. Ry Sa­bitzer sy Sancho ary i Emre Can kosa ny an-dry Dort­mund.

Fitia Randria

Partager sur: