Nanoritra ny lalany tsikelikely teny i Rebecca. Tsy nihazakazaka nanenjika laza anefa izy, fa niverina nanampy traikefa amin’ny mozika mba hanatsarany ny tanjony.
Mpanakanto tsara arahina akaiky… Anisan’ireo mpihira izay raisin-dRajery an-tanana amin’izao fotoana izao i Rebecca. Tsy tongatonga ho azy izany fiaraha-miasa izany, fa misy antony naharesy lahatra tao. “Nanova ny fandraisako ny mozika sy ny hoe mpanakanto mihitsy ny fizarana traikefa ataon-dRajery. Niverina mianatra mihira mihitsy aho aloha izao”, hoy ny filazan’i Rebecca.
Ankoatra ny fampianarana hira, nanovo fahalalana manodidina ny tsenan’ny mozika ihany koa i Rebecca. “Maniry ny hivelatra kokoa amin’ny mozika aho. Tsy ampy ny hoe mahay mihira fotsiny fa te hihoatra lavitra kokoa aho. Mba hikatsaka koa ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena aoriana ao, satria mifameno amin’ny fianarana norantoviko ihany koa izany”, hoy ny nambaran’ity mpanakanto ity.
Efa ela no niroboka tao anatin’ny mozika i Rebecca, nialoha izao. Namerina ilay hira “Tsy hirenireny” an’i Jaojoby no tena nahafantaran’ny maro azy, na dia efa namoron-kira nanomboka ny taona 2016 aza ity tovovavy ity. “Nandray anjara tamin’ny fifaninana The Voice Somarôho aho ny taona 2019, kanefa tsy tafiditra tao anatin’ny telo voalohany akory . Tsy nataoko nahakivy anefa izany, fa vao mainka nandrisika ahy hanohy. Nahazo ny tsodranon’i Jaojoby ihany koa aho rehefa avy nalefa taminy ny nanaovako ilay hira”, hoy hatrany i Rebecca.
Efa nanomboka niaka-daza talohan’izay anefa i Rebecca, indrindra taorian’ny namoahany ny “Maditrinazy” ilay fampiaraham-peo tamin’i Smaven, tamin’ny 5 taona lasa. Tombony ho azy ny maha mpamoron-kira, ary manambatra gadona maromaro ihany koa ity mpanakanto ity. Efa tsapa fa nisy nitrandraka ny rakikira “Agnabo loha”, izay navoakany ny taona 2023. Hira 20 no voarakitra ao, amin’ny gadona maroloko. Tsy mionona amin’izay anefa, fa mbola manampy traikefa mba hisongadinany bebe kokoa i Rebecca.
Zo ny Aina