SOMBIM-BAOVAO

Anisan’ireo mpitsara tafiditra anatin’ny lisitra « Elite A 2024 » izay navoakan’ny Caf ilay Malagasy, vehivavy mpitsara lalao baolina kitra, Hanjavola Dominique Rosa. Hanaraka fiofanana any le Caire renivohitr’i Egypte, ny 9 hatramin’ny 13 jona ho avy izao, ireo izay voasokajy anatin’ity lisitra ity.

Notontosaina ny 22 hatramin’ny 26 mey lasa teo, tany Toamasina, ny fampiofanana ny mpanazatra “niveau 1” sy ny Get Into Rugby, izay nokarakarain’ny Malagasy Rugby sy ny ligy Atsinanana. Miisa 30 mianadahy izy ireo no nanao ny « niveau 1 » ary 17 mianadahy kosa ny Get Into Rugby.

Hotanterahina ny 29 hatramin’ny 30 jona ho avy izao, any amin’ny nosy rahavavy La Réunion, ny fifaninanana “Runball 2024”, izay handraisan’i Madaga­sikara sy i France, eo amin’ny sokajy lehilahy. Miisa 11 ireo firenena hifanintsana ao amin’ny sokajy lehilahy. Raha toa ka fito ny eo amin’ny vehivavy.

Mafana ny raharaha resaka karama eo amin’ny Paris Saint Germain sy i Kylian Mbappé, frantsay mpilalao baolina kitra. Voatery niantso mpisolovava ny roa tonta, araka ny fikarohana natao, omaly. Tsara ny mampahafantatra fa tsy mbola naharay ny karamany nanomboka ny volana avrily i Mbappé.

Partager sur: