TARATRY ny KANTO

Ceasar Grill Soanierana – Sehatra ho an’ireo mpivoy ny mozika an-tanàn-dehibe. Hifandimby hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 7 ora alina ry MBL, Eklyps, Money Row ary Lyrikal Jill. Hanaraka ireto mpihira ireto i Diojay, hanafana ny elanelam-potoana. Efa mahazatra ireo tanora mpankafy ny mozika amin’izao fotoana ny toerana.
Eusébia eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Anjaran’ity zanak’i Jaojoby ity indray ny manafana ny sehatra, manomboka amin’ny 8 ora alina. Manana eo amin’ny ora iray mahery eo izy izarany ny mozikany amin’izao fandalovany ao izao. Toy ny mahazatra, hamonjy ny “After live – jam session” eny amin’ny Le Garage Antsahavola i Eusébia, amin’ny 10 ora alina.
Hizara ny traikefany ireo mpanao gazety mpaka sary. Eny amin’ny Craam, Oniversiten’Ankatso ny fotoana, anio, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany. Hitarika ny fotoana amin’izany ireo mpaka sary, Henintsoa Rafalia sy Rado Rakotoseheno. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanan’ireo mpaka sary matihanina na ny UPPM sy ny Craam izy ity.
Piment Café Behoririka. – Hiverina ry Jeneraly. Anisan’ny toerana nahavorian’ny tarika Jeneraly mpankafy maro hatramin’izay ny ao. Efa elaela kosa izy ireo no tsy niaka-tsehatra, ka manome fotoana indray anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina sy hamelona indray ireo sanganasan’i Gaby ry Andy sy ny tariny.

Partager sur: