Natsingevan’ny ranomasina ny fatina lehilahy iray mangana teo amin’ny faritry ny tendany, tao amin’ny fokontany Depot IV, Toamasina, ny zoma lasa teo. Mpanjono maraina no nahatsikaritra ny vatana mangatsiakan’io olona io natsipitsipin’ny ranomasina teny amin’ny torapasika. Tsy nahitana taratasy nahafahana mamantatra azy teny amin’io hita faty io. Ahin’ny fokonolona ho nokendaina io lehilahy io. Raha ny tomban’ny mpanara-baovao dia mety ho olona novonoina tany an-toeran-kafa io lehilahy io. Natsipy teny amoron-dranomasin’ ny Dépot fahefatra ny faty noho ity faritra ity maizimaizina sy mangingina ka mora anjakan’ny asa ratsy. Mihorohoro, noho izany, ny fokonolona satria toa mateti-piseho ny fahitana razana atsingevan’ny ranomasina ao an-toerana. Olona tsy mponina eny amin’ny manodidina hatrany anefa izy ireo. Naterina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be miandry ny fianakaviany ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io.
Sajo